Ny tetik' asa AINGAVAO

Ny tena asa iandraiketan'ny tetik'asa AINGAVAO dia miorina amin'ny fanavaozana sy fitrandrahana  indray ny fitotoam-bary SICI ao amin'ny kaomin'Isorana, miala 35 km ny Fianarantsoa.  Ity tetik'asa ity dia mividy vary manerana ny distrikan'Isandra ary mikendry tanjona lehibe mba ho afaka hanaparitaka ny vokatra eran'ny tsena.

Mifantoka amin'ny sehatra 3 ny tetik'asa :

  • Fanangonana mendrika ho antoky ny fampandrosoana ambanivohitra
  • Fitrandrahana ny fitotoam-bary sy famoronana asa "saosy Relais"
  • Fivarotana tsy misy hafetsena ho tombontsoan'ny mpivarotra madinika

 

Fijery vaoavao ny varotra ara-drariny

Ny fototry ny varotra ara-drariny dia ny fitsinjarana amin'ny tsaratsara kokoa ny harena. Ny fomba fiasan'ny Relais Madagasikara kosa dia mitsinjo lavidavitra kokoa mba hampifandanjana an'ity famokaram-bary ity ary hahasoa ny be sy ny maro, indrindra fa ny hampahatsiaro sy hampirisika ny tantsaha ho tompon'antoka amin'ny fampandrosoana ny tenany ihany.

Amin'ny tena izy, dia fifanarahana "samy mahazo tombony" no ifanarahana amin'ireo vondron'ny tantsaha, ny hery sy andry iankinan'izany dia ny fiaraha-miasa ara-ekônômika madio.

Mametraka antoka amin'ny vidin'akotry mora izahay, ary manolotra fiofanana sy fitaovam-pambolena, mampivondrona ireo fikambanana hiarovana azy ireo ary mitady fomba ara-tsosialy rehefa fotoam-piakaram-bary...

Ireo mpamboly miara-miasa aminay kosa dia manome antoka amin'ny fanajana ireo fepetra ara- kalitao, amin' ny fampiharana ny fomba amam-panao nianarana, amin' ny fandefasana ny zaza any am-pianarana, ary amin'ny fifampizarana fahalalana amin'ireo manodidina...

 

Ireo asa efa napetraka :

  • Famoronana "ferme" na toerana fanaovana andrana, toerana fanaovana fanandramana sy fanaovana fiofanana
  • Fikambanan' ireo vondron'ny tantsaha mpiara-miombon'antoka ambanivohitra
  • Fametrahana fomba findramam-bola saingy akotry no amerenana azy.

Manana toeram-panandramana 2 ha izahay, manandrana ireo teknika fambolem-bary efa mahazatra sy misy ary manatsara izany sy mampiofana ihany koa ireo vondron'ny tantsaha mpiara-miombon'antoka. Io ivo io dia natao ihany koa ho mari- tampona sy fampahafantarana ireo fitaovam-pambolena vaovao.

matériels agricoles innovants et adaptés

 

Fanodinana akotry dia antoky ny famoronana asa hoa n'ny faritra Ambanivohitra.

Ny asa fitotoam-bary dia mampiasa olona 30 eo ho eo, 1 taona no nilaina namelomana indray ity toerana izay tsy nisy mpiahy nandritra nty 15 taona . Napetraka tamin'ny 1967, ary niodina nandritra ny taona maro, nitondra ny anarana hoe SICI ( Société Industrielle et Coopérative de l' Isandra), tamin'ny fotoana izay mbola nahampy tsara ny vokatra vary teto Madagasikara.

 

 

Ny fikarakarana ny akotry dia mifanaraka amin'ny fomba mahazatra, izay mirindra toy izao : Manadio, Manamaivoka, Manafotsy, ary Mandamina azy ho vary fotsy. 

Tokana ity fitaovana ity eto Fianarantsoa, 7 ny fitotoam-bary nisy teto tamin'ny fotoan'androny. Nodimbiasin'ny « decortiqueuse » amin'izao fotoana izao. Ny famelomana indray ity fitotoam-bary ity dia antoka ho an'ireo mpanjifa amin'ny hatsaran'ny vokatra azo izay tsy misy vato na karazan-doto isan-karazany, ary koa hamerina indray ilay laharana voalohany izay nampalaza ny faritra amin'ny famokaram-bary.

 

 

Ny famarotam-bary mirindra

Ny tsenam-bary dia tsena  fiantohana hany ka olom-bitsy ihany no mahazo tombotsoa aminy. Midangana ny vidim-bary amin'ny fotoam-pahavaratra.

Noho izany dia manampy ireo mpivarotra an-tsijarany izahay mba afahan'izy ireo mahazo tombom-barotra sy mampisy asa. 

Faniriana ihany koa ny tsy hiparitan'ny vokatra eny amin'ny tsena eto Fianarantsoa mba hisoroana amin'ny fiovaovan'ny vidiny sy ny kalitao.

Farany, ny mpividy dia hahazo vary manara-penitra.

 

 

 

Azo atao ny mitsidika ny orinasa ny Talata sy Alakamisy maraina

Antsoy mialoha ny laharana : 00 261 (0)20 75 510 04

Vola aloha : 5000 ariary isan'olona - Tsy azo atao ny maka sary ao anatin'ny orinasa