Retrouvez toutes nos actualités :

MAZANA I de nouveau en vente

Le 08/08/2013

Le modèle MAZANA I est de nouveau disponible en vente mais pour une série limitée de cinq (05) voitures seulement.

Et elles sont en cabriolets.

Veuillez contacter le 034 75 510 15 si vous êtes intéressés

Varavarana misokatra momba ny asa sy ny toe-karena natokana indrindra ho an'ny tanora

Le 17/06/2013

 

Varavarana misokatra ho an'ny tanoran'i Fianarantsoa nokarakarain'ny Birao-paritra misahana ny tanora sy ny fialam-boly teto amin'ny faritra Matsiatra Ambony sy ny CCJ (Conseil Communal de la jeunesse) teto Fianarantsoa ny 14 et 15 jona lasa teo, nitondra ny anarana hoe " Salon de l'emploi et de l'économie en faveur des jeunes"... Orinasa maromaro, ivo-piofanana, sampan-draharaha nasionaly sy iraisam-pirenena no nandray anjara tamin'ity hetsika ity anisan'izany ny Relais Madagasikara. Nandritra io roa andro io dia afaka nanao fanadihadiana momba ny tontolon'ny asa, nanamafy ny fahaizan'izy ireo manoratra taratasy fangatahan'asa sy "CV" ireo tanora, afaka nanao andrana momba ny "entretien d'embauche" na dinidinika mivantana miaraka amin'ny mpampiasa ihany koa mba hanomanan'izy ireo ny fiainan-ko aviny arak'asa. Maimaim-poana ny fidirana tamin'izany hetsika izany ary afaka nametraka taratasy firotsahana ho fidiana amin'ireo tolotr'asa efa misy sy fangatahan'asa ireo tanora. Ho an'ny Relais Madagasikara manokana dia miisa dimapolo teo ho eo ny taratasy fangatahan'asa voaray teo amin'ny tranoeva.

 

       

 

Natolotra ny Diôsezy katôlikan'i Fianarantsoa ny Papamobile

Le 16/04/2013

Natolotra ny Diôsezy katôlikan'i Fianarantsoa ny Papamobile tamin'ny 07 aprily lasa teo.

Ny lanonana dia natao tao amin'ny Kolejy Md François Xavier Ambatomena Fianarantsoa, tamin'ny lamesa fanokafana ny ny sinôdan'ny Diôsezy taona 2013-2016. Ny lamesa dia nanomboka tamin'ny 8 ora sy sasany maraina teo ho eo, notronin'ireo mpitondra fivavahana sy ireo kristianina katôlika maro ; ary tamin'ny tso-drano farany no natao tamin'ny fomba ôfisialy izany fanolorana izany avy amin'ireo solo-tenan'ny orinasa Relais Madagasikara.

Araka izany dia tsy an'ny orinasa Relais Madagasikara intsony ny Papamobile fa an'ny Diôsezy katôlikan'i Fianarantsoa

Fanaovan-tsonia ny fifanarahana teo amin'ny Kaominina renivohitr'i Fianarantsoa sy ny RELAIS MADAGASIKARA

Le 22/03/2013

Ny fifanarahana teo amin'ny  Kaominina renivohitr'i Fianarantsoa sy ny  le Relais Madagasikara - FAKOFIA momban'ny famindram-pitantanana ny fandrindrana ny fanangonana ny fako eto amin'ny tanànan'ny Fianarantsoa dia vita sonia ny 7 martsa lasa teo. Ny lanonana dia notontosaina tao amin'ny toeram-pisakafoanana Zomatel natrehan'ireo olo-manan-kaja maro eo anivon'ny tanànan'i Fianarantsoa sy ireo mpanao gazety rehetra eo an-toerana.

Aorian'io fanaovan-tsonia io dia afaka manomboka ireo asa isan-karazany ny sehatr'asa FAKOFIA na dia efa niatomboka roa taona lasa aza izay ny fikarohana sy ny andrana maro momban'ny fanangonana, ny fifantenana ary ny fanovàna ho zezika ny fako.

Amin'izao fotoana izao dia efa manao ny fanangonana fako eo anivon'ireo daba-pako 6 ao amin'ny fokontanin'Ankofafa ny ekipan'ny FAKOFIA. Saingy manomboka any amin'ny volana Jolay any ho any vao ho raisin'izy ireo an-tanana daholo ny fanangonana ny fako eran'ny tanànan'i Fianarantsoa. Any amin'ny faraparan'ny taona 2014 any, ny asa fifantenana fako no ho tomombana 100%. Noho izany dia mampanantena ny mpamboly ny FAKOFIA fa hamokatra zezika 4000 taonina isan-taona amin'izay fotoana izay.

Juin 2012 - Ouverture restau Zomatel

Le 10/10/2012