Ny tetik'asa famoronana ara-mekanika sy fiara SOATAO dia nanomboka ny asany ny 2009, taorian'ny fandraisana sy fanokafana indray ny orinasa fiarakodia Malagasy KARENJY izay nikatona efa hatramin'ny 1993.

Betsaka ny fahasimbana nisy tamin'ny nandraisan'ny Le Relais, an'ity orinasa ity, simba ny trano, ny fitaovana tsy azo raisina, rakotra zava-maniry ny tokontany. Na izany aza ireo fitaovam-piasana momba ny orinasan-taozavatra sy ny entana tahiry toy ny piesy misaratsaraka dia mbola tao avokoa.

erintaona no namerenana amin'ny laony ireo fitaovana sy nahatomombana ny sehatr'asa famokarana toy ireo fitaovam-pambolena madinidinika sy ireo angovo azo havaozina.

 

Tany am-piadohana dia somary nanahirana ihany ny famokarana fiarakodia. Na izany aza dia nametraka fanamby ihany ny Relais Madagasikara fa hamita ireo fiarakodia efa natomboka. Noho izany dia niforona ny ekipa, nitombo ny fahaizana ary nahazoana fahaiza-manao noentina namitana fiara 30 isa izy ireo.

Mampitombo traik'efa manonkana, manome fahafaham-po ireo mpanjifa voalohany. Ankehitriny dia misaintsaina ny hamorona fiara vaovao ny SOATAO, fiarakodia ho an'ny Madagasikara sy Afrika izay hovinaniana hivoaka amin'ny faran'ny taona 2013 ; heverina fa hanana ireo fepetra mifanaraka amin'ny zava-misy eto an-toerana , mandeha tsara, azo antoka, tsy mandany, mantanjaka,  tsotra, mendrika.

Manoloana izany dia lasa toby ny injeniera aty amin'ny faritra Atsimo ny Madagasikara ny SOATAO. 70 eo ho eo ny ekipa miara-miasa araka ny soatoavin'ny Relais, vonona hikajy ny kalitao sy hanavao hatrany ny vokatra.

Ny fahazotoan'ny ekipa amin'ny fahatongavana amin'ny tanjona no nanosika ny Soatao ho lasa mpamorina fiarakodia tena vita afrikanina. Ny fahaveloman'ny KARENJY indray dia rehareha nasionaly, tsy mitsahatra ny re feo isanandro.

 

Ny tantara ny Karenjy

Tahirin-tsary - sary 3 Pierrot Men

Ny fiara Karenjy dia noforonina tamin'ny taona 1980, teo amban'ny fiadidian'ny filoha Ratsiraka, noho ny IMI, io fotoana sosialista izay nantsoina hoe « fihariana tafahoatra »dia nanana tanjona haminavina akora izay ho vokarina any amin'ny faritany. Araka izany, teraka :

  • tao Mananjary , tombin'asa momban'ny sambo ACN
  • tao Fianarantsoa, Fiarafy, mpanamboatra fiarakodia Karenjy
  • ny fiara manidina Hitsikitsika
  • Ny fitantanana ny lakan-dranon'ny pangalana

Latsaka ny zato teo ho eo ny fiarakodia karenjy novokarin'ny orinasa ny 1985 ka hatramin'ny 1990, 3 karazana izy ireo : Iraka, Mazana, Faoka ary namokatra : Kalesa, Lanja ihany koa. Nijanona tamin'ny 1993 nandritra ny teteza-mita Ratsiraka – Zafy ny famokarana ary ny orinasa dia lasa ambany fiarovan'ny lalana, natory nandritra ny 15 taona alohan'ny nanombohan'ny Relais ny asany.

Namokatra Papamobile nitondrana an'ny Papa Joany Paoly faha II ihany koa ny orinasa tamin'ny1989, tokana ary mbola voatahiry ao amin'ny orinasa hatramin'izao.

 

Azonao atao ihany koa ny manaraka aminay ao amin'ny pejy Facebook ! 

 

 

Azo atao ny mitsidika ny orinasa ny Talata sy Alakamisy maraina

Antsoy mialoha ny laharana : 00 261 (0)20 75 510 04

Vola aloha : 5000 ariary isan'olona - tsy azo atao ny maka sary ao anatin'ny orinasa