Taorian'ny fanaovan-tsonia ny fifanarahana momba ny fanangonana sy fanomezan-danja ny fako teo amin'ny Kaominina renivotr'i Fianarantsoa sy ny orinasa Relais Madagasikara ny 07 martsa 2013, dia teraka ny FAKOFIA. FAKO midika hoe "fako" ary FIA avy amin'ny anaran'ny tanàna hoe "Fianarantsoa".

Mifantoka amin'ny fanagonana sy fanomezan-danja ny fako eo anivon'ny tanànan'i Fianarantsoa no tena andraikitr'ity tetikasa ity.

Ny asa fanangonana

Ny asa fanangonana dia famoriana ireo fako eo anivon'ireo toeram-panariam-pako; avy eo ny fitanterana azy amin'ny ivo iray antsoina hoe "CET", izay anatanterahan'ny ekipan'ny Fakofia ny fifantenana hanavahana ireo fako azo avadika ho zezika. Ny ivo fifantenana fako dia mbola ao amin'ny Le Relais Madagasikara aloha hatramin'izao mandrapahavitan'io "CET" io.

 

Ny CTVD na "Centre de Tri et de Valorisation des Déchets"

Ny CTVD dia toerana iray namboarina miaraka amin'ireo fitaovana samihafa natokana ho an'ny fifantenana ireo fako avy any an-tokantrano, ny fanodinana ireo izay ôrganika ho zezika ary fanodinana ireo plastika mifanaraka amin'ny fiarovana ny tontolo iainana. Hitantsika any Maromby ity ivo ity, miala 6 Km ny tanànan'i Fianarantsoa manamorona ny lalana mankany Isorana. Misy fomba fandiovana ireo rano efa niasa (lyxiviats) apetraka eny amin'io ivo io amin'ny alalan'ireo tatatra sy zavamaniry mandio rano.

 

 

Ireo sehatry ny fanomezan-danja

 

  • Ny fanodinana ho zezika

Manomboka ny asa fanomezan-danja rehefa voafantina ireo fako azo avadika ho zezika. Ny fanomezan-danja eto dia fanovàna ireo fako ôrganika ahazoana vokatra vaovao azo ampiasaina, izany antsoina hoe : fanodinana ho zezika na "compostage".

Amin'ny alalan'ny fikirakirana ireo fako ôrganika ireo no ahazoana zezika biôlôjika. Ny tanjona amin'ity fanomezan-danja iray ity dia ny mba hamaliana ny hetahetan'ny mpamboly fa indrindra koa ho famerenana ny hasin'ny olona niaina tamin'ireny fako ireny.

 

                         

    

  • Ny fanodinana ireo akora plastika

Teo an-dalam-panangonana ireo fako dia hita ary voamarik'ireo ekipan'ny Fakofia fa tsy ny fako biôlôjika ihany no betsaka amin'ny fako voaangona fa misy ihany koa ireo akora hafa toy ny plastika, ny vy, ny vatokely, ny vera... Noho izany dia nanapa-kevitra izy ireo fa hanome lanja ireo akora plastika ka ampiarahana amin'ny fasika mba ahazoana kapila vita amin'ny plastika sy "pavés" vita amin'ny plastika.

 Ireo fako tsy hay ahodina ihany no alevina ary amin'ny fomba manaja hatrany ny tontolo iainana.

Anjaran'ny Fakofia ihany koa ny mikojakoja ireo fitoeram-pako izay anaovan'izy ireo ny fanangonana (fandiovana ireo loto sy fotaka efa naharitra ela, famboarana ny simba, fanamboarana fitoeram-pako vaovao).

Tanteraka ity tetikasa ity noho ny fiaraha-miasa miaraka amin'ny ISF (Ingénieur Sans Frontière) Belgique sy ny fanampiana lehibe ataon'ny PAGDM (Projet d'Appui à la Gestion des Déchets Ménagers).

 

Ny faritra mahakasika ny fambolena ao amin'ny CTVD na "Fakoferme"

Miaraka amin'ny tetik'asa Fakofia dia namboarina toeram-panehoana sy famokarana miafanaraka amin'ny fambolena miaro ny tontolo iainana. Nalaina tamin'ny fomba fanao antsointsika hoe "permaculture", izay ahitantsika fambolena sy fiompiana maro isan-karazany ao anaty velaran-tany 6Ha. Fambolena goavana ahitana ireo hazo fihinam-boa isan-karazany, fiompiana biby, fiompiana trondro, pôtagera...Amin'ny alalan'ny Kasina (fitaovam-pambolena tarihin'ny biby na omby vokarin'ny Relais) avokoa no ambolena amin'io velaran-tany io ahafahana manome fampiofanana eo an-toerana.

Ny tanjon'ity ferme ity dia ny mba hanomezana lanja ireo zezika novokarin'i tetik'asa, hamokarana voankazo sy legioma betsaka indrindra, vorona, trondro amin'ny alalan'ny fomba tena manara-penitra ary mizaka tena faran'izay tratra.

Ireo vokatra ireo dia hanatsarana ny sakafon'ny mpiasa ao amin'ny orinasa ary hanatsarana ihany koa ny tolo-tsakafo aroson'ireo hotely sy toeram-pisakafoana goavana eto an-toerana. Ankoatra ireo hazo nokapaina teo an-toerana tamin'ny voalohany dia nambolena zanan-kazo mamokatra "mellifères" sy "fourragers" ho an'ireo tantsaha manodidina ary mamefy ihany koa ny ivo sy mamerina indray ny fambolen-kazo ho an'ireo vohitra misy azy.

Akoatra izany, ity toerana ity dia ho fampisehoana ireo teknika miaro ny tontolo iainana eo amin'ny lafin'ny fanorenan-trano, ireo angovo ampiasaina ary eo amin'ny fitantanana ny rano (fanangonan-drano, fampiasana trano fivoahana tsy mampiasa rano, fandiovana rano amin'ny alalan'ny zava-maniry, sns...)

Ny olon-drehetra dia asaina avokoa hitsidika ity ivo ity na hanao fisakafoana an-kalamanjana eny an-toerana ao anatin'ny tontolo maintso mavan'ny hazo mitandavana ny lemaka.

 

Ny fiantraikan'ny tetikasa eo amin'ny sehatry ny sôsialy sy toe-karena ary tontolo iainana

Ny tombontsoan'ny asa ataon'ny Fakofia dia tena misongadina tokoa, tsy amin'ny lafiny ara-toe-karena fotsiny ihany fa amin'ny tontolo iainana ihany koa. Eo amin'ny sehatry ny fanangonana dia mitandro hatrany ny fahadiovan'ny tanàna mba ho tontolo iainana madio sy ara-pahasalamana ka hahatonga ny mponina ho salama tsara. Ny asa fifantenana fako ihany koa dia ahazoana tombontsoa ara-toe-karena na dia mila faherezan-tsaina lehibe aza satria mahatonga famoronan'asa.

Mitovy amin'izany ihany ny sehatry ny fanomezan-danja, ny fanodinana ho zezika dia fomba tena tsara hanenana ny fako halevina ary hamokarana zezika biôlôjika ihany koa, izay mahatsara ny tontolo iainana sady mahatsara ny fasalaman'ny mpanjifa raha mijery lavidavitra kokoa amin'ny alalan'ny fampiasan'ny mpamboly io zezika io amin'ny voliny. Ny fanodinana ny akora plastika dia miaro ihany koa ny tontolo iainana satria manena ny fako-na plastika halevina izay anisan'ny akora tsy mety levona ho azy sy ahafahana mamaokatra vokatra vaovao (kapila sy "pavés" vita amin'ny plastika) sady manena ny fandaniana amin'ny akora ampiasaina.

 

Raha mahaliana anao ity lohahevitra ity, dia jereo ny Gazette vaovao N°26 Nov 2012-Mars 2013 spécial Fakofia

 

 

 

Azo atao ny mitsidika ny CTVD na ny orinasa ny Talata sy Alakamisy maraina

Antsoy mialoha ny laharana : 00 261 (0)20 75 510 04

Vola aloha : 5000 ariary isan'olona - tsy azo atao ny maka sary ao anatin'ny orinasa