Ny antsasaky ny volana Aprily 2008 no nanomboka ny asany ny ivo fifantenana tri de friperie TARATRA. 15 ny olona noraisina izay mponina teto an-drenovohitr'i Fianarantsoa. Ny asa fifantenana dia fisokajiana ny antontan-damba vidiana avy any Frantsa ary angonina mitambatra isan-tsokajiny . Avy eo dia paritaka eny amin'ny tsenam-barotra.

Ity sehatr'asa ity dia tanteraka noho ny fiaraha-miasa matotra miaraka amin'ny société MIEZAKA. Izany finiavana hiara-hiasa amin'ity mpandrindra ity izany dia nahafahana nanomboka ny asa tsy misy fanampiana na fanomezana avy any ivelany.

Ny fahafantaran'ity farany ity ny tsenam-barotra dia nanampy betsaka tamin'ny famarotana ny vokatra ary nahitana lalam-barotra azo antoka. Tsapa fa noho ny hatsaran'ny kalitao izay be mpankafy tokoa dia betsaka ireo izay maniry hiara hiasa aminay.

 

Tamin'ny fisasahan'ity taona 2014 ity dia nahatratra 98 ny isan'ny mpiara miasa ary efa betsaka no mahalala sy mahafantatra ny orinasa manaporofo izany ny fitsidihan'i Filoha ny Repoblika Malaga

sy ny 18 jolay lasa teo. Ny fitombon'ny isan'ny olona  no anisan'ny antom-pisiny

ary koa tanjona ho tratrarina.

Ankehitriny dia mikirakira fitafiana 450T isam-bolana izahay ary heverina ny mbola hampiakarana an'io antontan'isa io amin'ity taona ity.

 

 

Ny toe- javatra misy eo amin'ny sehatry ny lamba eto Madagasikara

Madagasikara dia tany manankarena kanefa maro an'isa ireo mponina izay mankasitraka ny fahatongavan'ny friperie satria fomba iray ahafahana miankanjo tsara raha tahana ny kalitao sy ny vidiny no jerena.  

Ny faniriana dia hitafy akanjo vita eto an-toerana ny mponina eto Madagasikara. 

Tato anatin'ny 10 taona izay dia betsaka ireo orinasa afakaba niforona, izay mamokatra fitafiana saingy aondrana any ivelany. Mitovitovy amin'izany ihany ireo amidy eto an-toerana, nafarana avy any Asia saingy matetika ratsy sady lafo raha oharina amin'ireo entana efa nampiasaina.

 

        

 

Raha mahaliana anao io lohahevitra io dia nanandrana nanao fanadihadiana amin'ny fomba madio izahay ary nanome soso-kevitra fijorona vavolombelona izay hitanao ao anatin'ny Gazette Vaovao an'ny Relais Madagasikara.
gazette vaovao n°9 SPECIAL FRIPERIE

 

Azo atao ny mitsidika ny orinasa ny Talata sy Alakamisy maraina

Antsoy mialoha ny laharana : 00 261 (0)20 75 510 04

Vola aloha : 5000 ariary isan'olona - tsy azo atao ny maka sary ao anaty orinasa