Ny tahiry ifanampiana TIA dia noforonin'ireo mpiasan'ny Relais Madagasikara ho an'ny mpiasa rehetra ao amin'ny orinasa. Tahiry ifanampiana sy ho fanatsarana ny fiainana andavan'andro. Tantanan'ny birao voafidy izay anisan'ny mpiasa ihany, izy ireo dia tompon'antoka amin'ny fangaraharana sy fampandehanana ny fitantanana.

Roa no andraikitra sahaniny :

  • TIA Sosialy : manampy ara-bola amin'ireo fahasahiranana mandalo(fahafatesana, aretina, fidirana hopitaly,...) manaraka ny  fatran'isa napetraka sy fifanampiana ara-pahasalamana.
  • TIA dia mampindram-bola amin'ny sanda 0 mba ho fanatsarana ny fiainana andavanandro ( fividianana entana, fananana tany, …)


Hatramin'ny nisian'ny caisse TIA dia efa mihoatra ny 500 ny fimpindramam-bola nataony ary mitentina eo amin'ny 17 000 € eo izany.

 

Ireo tombontsoa ivelan'ny asa

Ny orinasa Relais Madagasikara dia mizara sakafo ho an'ny mpiasa isaky ny atoandro, kilalao ara-panatanjahan-tena, fampianarana  fampitomboana fahalalana, fianarana mozika, fiara fitaterana isaky ny maraina sy hariva. Ary tombontsoa samihafa toy ny fanampiana amin'ny fampidirana mpianatra, fampirimam-bola...Ny tanjona dia ny fahaizana mitondra ny mpiasa amin' ny tsara sy mahasoa.