Miara-miasa amin'ny birao fikarohan'ny Relais Madagasikara, ireo sehatr'asa fanamboarana misy ato aminay dia afaka manatanteraka ireo asa ilainareo rehetra araka ny fari-pahaizanay. Izahay dia voahofana manokana amin'ny "chaudronnerie", "usinage", sy ny fanamboarana ireo "matériaux composites" ary koa ny fametrahana ireo kojakoja rehetra amin'ny orinasa.

 

 

Ny sehatr'asa "Tôlerie" dia efa manamboatra ireo karazan'asa vita amin'ny vy "mécano- soudés" rehetra.  Izahay dia manana fitaovana fanaovana "soudure" maromaro manaraka ny teknolojia MIG/ MAG, TIG, "Soudure à l'électrode", "Soudure oxyacétylénique", "Oxycoupage". Mikirakira vy alalan' ny fitaovana manokana ihany ko izahay : "cisailles", "plieuses", "encocheuses", "presses", "poinçonneuses" sy "perceuses", ahafahana manatanteraka ny asa tena sarotra.

 

Ny sehatr'asa "Fabrication Mécanique" dia afaka mamboarana ny asa rehetra araka ny fangatahanareo. Manana "tours mécaniques" sy "fraiseuses universelles" manara-penitra izahay.

 

Ny sehatr'asa "stratification" dia manome tolotra ho anareo ny fahafahany manatanterahany ireo piesy kely na lehibe indrindra amin' ny alalan' ny  teknôlôjian'ny "matériaux composites".  "Fibre de verre" sy ny "résine polyester" no tena fampiasanay.

 

Ny sehatr'asa "capitonnage" dia manao ny karazana fanaka rehetra anisan'izany ny sezan' ny fiara.

 

Ny sehatr'asa "maintenance" dia manao ireo fametrahana kojakoja famatsiana herinaratra amin'ny orinasa sy ireo asa ara-mekanika.

 

Raha mila fanampim-panazavana na te-hahazo devis dia antsoy ny laharana : 00261(0)34 75 510 14

na koa manorata amin' ny adiresy: [email protected]