Ny kasina

 Ny kasina dia  fitaovam-pamokarana tarihin' ny biby ahafahana manao moramora sy malaky kokoa ny asam-mpambolena. Io fitaovana io dia nandroso noho ny fiaraha-miasa niaraka tamin' ny fikambanana PROMMATA  ary nahazo ny amboaran'ny fampivoarana tany Europe.

 

Ny kasina dia manambatra ny teknikam-pambolena vaoavao sy taloha : asa tany tora-tady no atao aminy ary ampiasana omby iray na roa. Ankoatr'izany asa vitany izany dia mora ampiasaina izy ary afaka manao ny asam-pambolena rehetra (kodiarana 1, kodiarana 2 na tsy misy mihintsy!) ny "guidon" na fitazonana dia mora tazonina. Afaka ampiana fisintonana koa izy amin' ny alalan' ny rojo, "timon" na "brancard" . Azo tsoahina ihany ko ity fitaovam-pambolena ity amin'ny alalan'ny fitaovana iray.

 

Noho ny  fisian'ny "crochaxe" na farango, izay fitaovana mipetraka aminy dia tsy mihetsika intsony. Segondra vitsy dia voasolo ny fitaovana : atosika moramora amin' ny tongotra ny fitaovana, vahàna ilay "crochaxe" na farango dia afaka esorina amin'izay ny fitaovana!

 

 

Ny Relais Madagasikara dia manolotra fitaovam-pambolena maro : fandalinana nofon-tany (1), angady (2), lahersa(3), fiavàna (4), fanaovana dongon-tany, fihadiana ovy… Izahay koa anefa dia afaka manao fikarohana raha misy ny fitaovana manokana hafa ankoatr'ireo.

 

 

 

Karazana fitaovana maromaro fanampiny afaka ampiarahana amin' ny fitaovana taloha :

  • Ny fandalinana nofon-tany : mamotipotika ny nofon-tany alohan'ny hampiasana ny angady amin'izay mbola tsy voavadi-bainga mihitsy na mamaky ny bainga eo amin'ny tanimboly avy nambolena taorian'ny roa na telo taona nifanarakaraka.
  • Ny fanaovana dongon-tany : ho an'ny voly atao kibotry na atao dongona (mangahazo, ovy, voanjo...)
  • Ny fiavàna : manala ny zanak'ahi-dratsy sy mamotipotika ny tany mba hidirany'ny rano any anatin'ny nofon-tany, fitaovana fikolokoloana ny voly ihany koa.

Ny fiofanana:

Ny Relais Madagasikara dia manolotra fiofanana mandritry ny 3 andro ho fampahalalana ny fomba fampiasana ny kasina sy hanazarana ny biby (ny omby).

Ny fitaovana atao kômandy :

Ny fahaiza-manao anananay dia ahafahana manao ireo fitaovam-pambolena madinika mifanaraka amin' ny kômandy. Ny tanjonay dia tsy ny hifaninana amin'ny mpamokarana eto an- toerana, ohatra ireny angady fampiasa taloha ireny, fa ny hamboatra fitaovam-pambolena manana endrika nohavaozina.

 

Raha mila fanampim-panazavana na te hahazo devis dia antsoy ny laharana : 00261(0)34 75 510 14

na koa manorata amin' ny adiresy : [email protected]