Ny tetik'asa GASH'MLAY ny Relais Madagasikara dia teraka tamin'ny alalan'ny finiavana te hamorona zava-baovao avy amin'ireo lamba efa niasa na efa tonta. Nanomboka tamin'ny 2009 ity tetik'asa ity ary mampiasa mpanjaitra mihoatra ny folo eo ho eo. Ny tena mampiavaka anay dia ny famoronana tokana tsisy mpanana, hita taratra izany amin'ireo vokatra avoakanay isan-taona.

Ny fahaiza-manao GASH'MLAY dia ahafahana mandray ireo kômandy mifanaraka amin'izay takian'ny mpanjifa, indrindra ihany koa ireo fanamiana amin'ny asa, ny lamba ilaina ao an-tokantrano, ny lamba famafana, ...

 

 

                

 

 

 

 

 

 

 

 

Misy trano fivarotana LE RELAIS BOTIKA eto Fianarantsoa, etsy Antarandolo ampitan'ny tobin-tsolika Galana, ahafahantsika mividy ireo vokatra vokarin'ny tetik'asa, ary ahitantsika ihany koa ireo fitafiana vaovao amidy mora avy any Frantsa.

Amin'ny alalan'ireo vokatra vokarin'ny tetik'asa ireo no anentanana antsika mpanjifa mba hampiasa fitafiana miaro ny tontolo iainana, ary mba ahatsiarovantsika saina ho tompon'andraikitra ny amin'izany.

 

Nanomboka tamin'ny taona 2013, ny Relais Madagasikara dia miara-miasa amin'ny  ZAZABRACADABRA amin'ny fanamboarana ireo "doudous" an-jaza sy ireo kojakoja miaraka aminy, nalaina tahaka tamin'ireo sary nataon'ilay zaza. Vokatra tokana, nohezahan'ireo mpanjaitra ao amin'ny tetik'asa Gash'mlay  nozairina sy namboarina tanana.

 

Tranokala ahitanao ny momba ny ZAZABRACADABRA : http://hacenehebbar.wix.com/zazabracadabra

 

Azo atao ny mitsidika ny orinasa ny Talata sy Alakamisy maraina

Antsoy mialoha ny : 00 261 (0)20 75 510 04

Vola aloha : 5000 ariary isan'olona - tsy azo atao ny maka sary ao anatin'ny orinasa

 

L'usine du Relais Madagascar se visite le Mardi et Leudi Matin

sur RDV téléphonique : 00 261 (0)20 75 510 04

Droit de visite : 5000 Ariary par personne. - Photos non autorisées

- See more at: http://www.lerelais.mg/rubriques/creation-textile#sthash.WELQiV8b.dpuf

 

 

L'usine du Relais Madagascar se visite le Mardi et Leudi Matin

sur RDV téléphonique : 00 261 (0)20 75 510 04

Droit de visite : 5000 Ariary par personne. - Photos non autorisées

- See more at: http://www.lerelais.mg/rubriques/creation-textile#sthash.WELQiV8b.dpuf