Ireo toeram-pivarotana

AINGAVAO dia manana toeram-pivarotana 2 :

  • LE RELAIS BOTIKA, Antarandolo, eo ampitan'ny tobin-tsolika Galana

Mivoha ny : Talata ka hatramin'ny Asabotsy
Fifandraisana : 00 261 (0)34 75 510 11 - 00 261 (0)34 75 510 10 - 020 75 503 47

  • ISORANA, Usine SICI

Mivoha ny : Alatsinainy ka hatramin'ny Zoma
Fifandraisana : 00 261 (0)34 75 510 05

 

Ny vokatra :

Ny vary vokarin'ny Relais Madagasikara dia azo antoka ara-kalitao, voanfantina, tsy misy vato, satria azo amin'ny alalan'ny milina tokana fitotoam-barin'ny orinasa eto Fianarantsoa. Ireto avy ny vokatra misy :

  • "Riz ordinaire" (50 kilao) / vary tsotra
  • "Riz qualité" (50 Kilao) / vary kalitao
  • "Riz luxe" (5 kilao sy 10 kilao) / vary kalitao ambony
  • "Son" ho an'ny sakafom-biby na "provende"
  • "Tête de riz" ho an'ny minoterie

 

 

Ireo vokatra ireo dia azo avy amin'ny fiaraha-miombon'antoka mametraka vidim-bary manara-penitra amin'ireo tantsaha.

Ny singa-marika SICI SARL ho amantarana ireo vary vokarin'ny orinasa.

Manome tolo-barotra ho an'ireo orinasa izahay, amin'ny alalan'ny fifanarahana isan-taona, manome antoka ny fanaterana ara-potoana ny vary sy ny vidiny tsy miova. 

 

 

Raha mila fanazavana fanampiny dia manantona ny  toeram-pivarotana izay akaiky anareo.