Ny mpiara-miasa sy mpanjifanay

Orinasa Miezaka

Ny orinasa Miezaka dia miandraikitra ny famarotana ireo fripy vokarin'ny Relais Madagasikara. Mandrindra ny lafin'ny teknika, ny famatsiana sy ny fifamoivoizana ara-barotra ary ny famoahana amin'ny seran-tsambo ihany koa izy.

Mpiara-miombon'antoka amin'ny fandrafetana ara-ekonomika ireo tetik'asa vaovao ihany koa ny orinasa Miezaka.

Fifandraisana : Miezaka EURL, Sahalava, Fianarantsoa / lah :034 07 255 07

 

 

 

Ny vokatra

Azo antoka ny hatsaran'ny lamba, aman-jatony ny antontan-damba ary misy sokajy 9. Miparitaka manerana ny tsenam-barotra eto Madagasikara  ireo fripy ireo amin'ny alalan'ireo mpivarotra ary fantatra amin'ny loko maintso/fotsy mangarahara na voloparasy/fotsy mangarahara.

Milanja 45kg ny fonosana iray.

Izahay dia mamboatra lamba famafana na "chiffons d'essuyage".