Ny Relais Madagasikara no Relais niforona farany teto afrika, nanomboka ny tantarany izy tamin'ny aprily 2008. Miorina amin'ny toe-tsaina Relais sy ireo soatoavina maha malagasy, ny tanjony lehibe indrindra dia ny hametraka sehatr'asa ara-sosialy sy ekonomika mba hamoronana asa maharitra ho an'ireo olona ao anatin'ny fahasahiranana tanteraka.

 

Ny zotran-kevitry ny Relais Madagasikara

Ny Relais Madagasikara dia dia mitondra fijery vaovao sy vahaolana ho fampandrosoana an'ny "firenena tatsimo". Tsy mihevitra ho toy ny Rafitra tsy miankina amin'ny Gouvernemanta na "ONG", na koa toy ny orinasa mahazatra ny Relais. Mijoro amin'ny soatoavina maha malagasy sy manana ny mampiavaka azy amin'ny ara-sosialy sy ekonomika ary manome lanja ny maha olona mba hikatsahana ny tombotsoa iombonana.

 

Ny zotran-kevitra ara-toe-karena dia ahafahana manao fitantanana mendrika hitsinjovana ny fizakan-tenan'ny ireo tetik'asa, miantoka ny karama mendrika sy sahaza ary manampy amin'ny famelomana asa vaovao eo an-toerana.

Ny zotra-kevitra amin'ny fandraharahana dia mifantoka amin'ny asa, ny fiezahana, ny fandraisana anjara, ny fakana ny hevitry ny ekipa rehetra ka ahafahana mamorona miaraka fitaovana ho entina miasa.

Ny zotra-kevitry ny fizakan-tena ara-bola dia misoroka amin'ny fiankinan-doha ary manome lanja ny vokatra sy ny ezaka entin'ny tsirairay amin'ny fanatanterahana ny asa.

Ny zotra-kevitra hanana andraikitra iraisana dia miantoka ny fanajana ny fahaiza-manao eto an-toerana sy mitondra tosa-kevitra sy fahazotoana miasa. Miady amin'ny tsy fananan'asa eto Madagasikara, amin'ny alalan'ny soatoavina sy olona eto an-toerana.

 

Ny sehatr'asa voaforina hatramin'izay :

  • Ivo fifantenan-damba  TARATRA
  • Sampan'asa fanamboarana fiara kodia SOATAO
  • Sampan'asa momba ny zaitra GASH'MLAY
  • Tetik' asa fanohanana ara-pambolena sy momba ny voly vary AINGAVAO
  • orin-trano fandraisam-bahiny  ZOMATEL
  • Ny fitantanana ny fako ny kaominina renivohitr'i Fianarantsoa FAKOFIA, izay iarahana miasa miaraka amin' ny ISF Belgique 


Amin' ny oran' ny fahombiazan' ny orinasa, dia tianay kokoa ny manakatra ny tsara indrindra hatrany: ny fahaiza-manao tsy hahomby raha tsy mijery ny maha olona sy ny tombontsoan'ny rehetra.


Ary ny Relais any Frantsa sy any Afrika

Ny Relais dia orinasa maromaro miara-miasa, niasa nandritry ny 30 taona handraisana indrindra ireo olona tsy manana fahafahana eo aminn'y sehatry ny asa sy ireo voailika eo anivon'ny fiaraha-monina, amin'ny alalan'ny famoronana asa maharitra. Mpikamabana amin'ny Emmaüs Frantsa sy ny Inter Réseaux de la Fibre Solidaire (IRFS), izy dia miorina amin'ny fanantenana fa ny fiverenan'ireo olona ireo amin'ny sehatry ny asa dia fitaovana iray hanampiana azy ireo hitandrovana ny maha olona sy hametrahana azy ireo indray eo anivon'ny fiaraha-monina nisy azy. Noho izany dia mampandroso sampan'asa ara-toe-karena maro izy hanantanterahana izany, izay nahafahan'ny orinasa namorona asa mihoatra ny 2 200 hatramin'izao.

Anisan'izany, ny fanangonana / fanomezan-danja ny lamba izay tena nivoatra haingana dia haingana. Tao anatin'ny taona vitsivitsy monja dia nivoatra ho tena indostria iray goavana ny Relais, milahatra amin'ireo efa sangany any Frantsa : mpandraharaha tokana mahafehy ny fizotry ny asa rehetra momba ny fanomezan-danja ny lamba, Misahana ny 55 % amin'ny fanangonana lamba any Frantsa izy, mitantana ivo fifantenana 14 ary manome lanja ny 90 % amin'ireo lamba voaangona.

Ny Relais ihany koa dia namorona môdelin'orinasa vaovao, Orinasa manana tanjona ara-tsôsialy sy toe-karena, mametraka ny fandrosoany ho tombotsoan'ny olona.