Ny zezika izay vokarina dia azo avy amin'ny fako ôrganika. Ahodina ity farany manaraka ny dingana sy ny fotoana ilaina amin'ny fanamboarana zezika.

Mbola ao anatin'ny vanim-potoanan'ny andrana ny Fakofia amin'izao fotoana izao raha ireo vokatra azo avy amin'ny akora efa niasa (kapila, "pavés" vita amin'ny plastika). Fa ny zezika kosa dia efa mivarotra izahay ao amin'ny Relais Madagasikara-Orinasa Karenjy Ankofafa Fianarantsoa.

 


                 

 

 Noho izany,

  • Edenasoa :

- tsara ho an'ny zaridaina, ny voninkazo, ny zana-kazo, ny hazo na zava-maniry amin'ny tavy.
- tena madinika, manome sakafo haingana ny tany ity zezika ity ary azo ampiasaina avy hatrany amin'ireo zana-kazo sy amin'ireo fambolena manakaiky ny pôtagera.
- amidy amin'ny fonosana 05Kg, 15Kg,50Kg

 

  • Soavokatsa :

- dia zezika ôrganika natao ho an'ireo voly rehetra amin'ny velaran-tany lehibe toy ny tanim-bary..
- somary lehibebe kokoa, manatsara ny tany izy ary mamelona ireo akora ôrganika ao aminy.
- amidy amin'ny fonosana 50Kg

 

 

Raha mila fanazavana bebe kokoa na hanao kômandy na hividy amin'ny fatra maromaro dia antsoy ny laharana 034 75 510 11 na ny 034 75 510 60